# Fa nisy Samaritana anankiray Ity dia mampiditra olona vaovao ao amin'ny tantara izay tsy nomena ny anarany. Fantatsika fotsiny hoe avy any Samaria izy. # Samaritana anankiray Ireo Jiosy dia nanao tsinotsinona ireo Samaritana ary nihevitra fa tsy hanampy ilay lehilahy jiosy naratra izy. # Rehefa nahita azy izy "Rehefa nahita ilay lehilahy naratra ilay Samaritana" # nitsetra azy "nalahelo azy izy" # namehy ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tamin'izany Nasiany menaka sy divay teo amin'ilay ratra aloha. DH: "Nanisy divay sy menaka teo amin'ilay ratra izy ary namono izany tamin'ny akanjo" # nandraraka menaka sy divay teo amin'izany Ny divay dia nampiasaina hanadiovana ratra, ary ny menaka dia mety hisorohana ny aretina. DH: "nandraraka menaka sy divay teo amin'izany mba hanasitranana izany" # ny bibiny Ity dia biby nampiasainy hitondrana enta-mavesatra. Mety ho boriky izany. # denaria roa "karama roa andro." # ny mpampiantrano "tompon'ny tranom-bahiny" na "ny olona izay mikarakara ny trano" # na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra, rehefa miverina aho, dia ho efaiko DH: "rehefa miverina aho, dia ho efaiko na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra"