# Ny zavatra rehetra dia nankinin'ny Ray tamiko DH: "Ny Raiko dia nanolotra Ahy ny zavatra rehetra" # Ray ... Zanaka Ireo dia fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy Jesosy. # mahalala hoe iza ny Zanaka Ny teny izay adika hoe "mahalala" dia midika hoe mahafantatra tamin'ny zavatra niainana manokana. Andriamanitra Ray dia mahafantatra an'i Jesosy amin'izany fomba izany. # afa-tsy ny Ray Ity dia midika hoe ny Ray ihany no mahalala hoe iza ny Zanaka # mahalala hoe iza ny Ray Ny teny izay adika hoe "mahalala" dia midika hoe mahafantatra tamin'ny zavatra niainana. Jesosy dia mahafantatra an'Andriamanitra Rainy amin'izany fomba izany. # afa-tsy ny Zanaka Ity dia midika hoe ny Zanaka ihany no mahalala hoe iza ny Ray. # izay nosafidian'ny Zanaka haseho Azy "na iza na iza irian'ny Zanaka hampisehoana ny Ray"