# Nahoana ianao no mijery ... kanefa tsy mahatsikaritra ny vatan-kazo izay ao anaty masonao? Jesosy mampiasa ity fanontaniana ity mba hanaovana fanamby ny olona mba hifantoka amin'ny fahotan'izy ireo manokana mialohan'ny hifantohany amin'ny fahotan'olon-kafa. # ny sombin-kazo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao Ity dia sariteny izay maneho ny hadisoana kely indrindra ataon'ny namana mpino iray. # rahalahy Ny "rahalahy" eto dia maneho ny namana Jiosy na namana mpino ao amin'i Jesosy. # ny vatan-kazo izay ao anaty masonao Ity dia sariteny ho an'ny hadisoana lehibe indrindra ataon'ny olona iray. Ny vatan-kazo dia tsy afaka handeha ara-bakiteny ao anatin'ny mason'ny olona iray. Jesosy dia manamafy fa ny olona dia tokony hifantoka amin'ny hadisoana goavany manokana mialohan'ny hiasany saina amin'ny fahotana kely indrindra ataon'ny olon-kafa. # vatan-kazo "hazo fisaka"