# Fampifandraisana ny foto-kevitra Rehefa nandao ilay trano Jesosy, dia nantsoiny Levy, ilay Jiosy mpamory hetra, mba hanaraka Azy. Nanomana sakafo be ho an'i Jesosy Levy izay nahasorena ireo Fariseo sy mpanora-dalàna. # Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo Ny fehezanteny hoe "ireo zavatra ireo" dia maneho ireo izay nitranga tao amin'ny andininy teo aloha. Izany dia mampahafantatra tranga vaovao. # Manaraha Ahy Ny "manaraka" olona dia fomba fiteny iray izay midika hoe lasa mpianatr'izy ireo. DH: "Meteza ho mpianatro" na "Avia, manaraha Ahy toy ny mpampianatra anao" # namela ny zavatra rehetra "namela ny asany amin'ny maha-mpamory hetra"