# Ary nisy lehilahy Ity fehezanteny ity dia nampiasaina hanamarihana ny fampidirana mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara; raha ny eto, dia ilay lehilahy misy demonia iray. # nitoeran'ny fanahy maloton'ny demonia "izay nitoeran'ny demonia maloto" na "izay nanjakan'ny fanahy ratsy" # Inona no hifandraisanay aminao Ity valin-teny tia ady ity dia fomba fiteny izay midika hoe: "Inona no iombonantsika?" na hoe "inona no zo tokony anelingelenanao anay?" # Inona no hifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Ity fanontaniana ity dia afaka soratana toy ny fanambarana. DH: "Tsy manana zo hanelingelina anay Ianao, ry Jesosy avy any Nazareta!"