# tandrom-panavotana ho antsika Ny tandrokin'ny biby dia famantarana ny heriny hiarovana ny tenany. Ilay Mesia dia resahana toy ny hoe tandroka manana hery hanavotra an'Israely Izy. DH: "olona manana hery hanavotra antsika." # ao an-tranon'i Davida mpanompony "Ny tranon" i Davida eto dia maneho ny fianakaviany, indrindra fa ny taranany. DH: ''ao amin'ny fianakavian'i Davida mpanompony" na "izay taranak'i Davida mpanompony" # tahaka izay nolazainy "araka izay nolazain'Andriamanitra" # nilaza tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina Andriamanitra namela ireo mpaminany hilaza ireo teny izay tiany ho tenenin'izy ireo. DH: "nampiteny ireo mpaminaniny masina" # tamin'ny vavan'ireo Ity dia milaza ny hafatr'ireo mpaminany toy ny hoe vava iray ihany no miteny. # tamin'ny andro taloha ''niaina fahagola" # mitondra famonjena maneho famonjena ara-batana ity eto, fa tsy famonjena ara-panahy. # ireo fahavalontsika ... ireo rehetra mankahala antsika mitovy hevitra ireo fehezanteny roa ireo ary naverina mba hanamafisana ny hamafin'ny fahavalo manohitra azy ireo. # amin'ny tanan'ireo Mety hanampy ny famerenana mametraka ny "famonjena" eto. DH: "famonjena amin'ny tanan'ny" # tanana "hery" na "fahefana." Ny teny hoe "tanana" dia maneho ny hery izay ampiasain'ny ratsy fanahy manohitra ny olon'Andriamanitra.