# Aza matahotra ry Maria Tsy tian'ilay anjely atahotra ny fisehoany i Maria, satria Andriamanitra naniraka azy niaraka tamin'ny hafatra tsara. # nahita sitraka tamin'Andriamanitra ianao Ny fomba fiteny hoe "nahita sitraka" dia midika ho noraisain'olona tsara. Azo ovaina ilay fehezanteny mba hampisehoana an'Andriamanitra ho ilay mpandray anjara. DH: ''Andriamanitra dia nanapa-kevitra ny hanome anao ny fahasoavany" na hoe "Mampiseho anao ny hatsaram-panahiny Andriamanitra." # hitoe-jaza ianao ka hitondra zazalahy ao am-bohoka ... Jesosy ... zanak'ilay avo indrindra Hitondra "zazalahy" ao am-bohoka i Maria izay ho antsoina hoe "Zanak'ilay Avo Indrindra." Jesosy noho izany dia olombelona naterak'olombelona, ary izy koa ilay Zanak' Andriamanitra. Ireo teny ireo dia tokony adika tsara. # ho antsoina hoe Ireto ireo dika azo atao 1) ''Ny olona hiantso Azy hoe" na hoe 2) "Andriamanitra hiantso Azy hoe" # Zanak'ilay Avo Indrindra Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra. # manome azy ny seza fiandrianan'i Davida razambeny Ny seza fiandrianana dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka hanapaka. DH: ''manome azy fahefana hanapaka toy ny mpanjaka tahaka ny nataon'ny razambeny" # tsy hanam-pahataperana ny fanjakany Ny teny hoe ''tsy hanam-pahataperana" dia manamafy fa mitohy mandrakizay izany.