# Taorian'ireo andro ireo Ny fehezanteny hoe "ireo andro ireo" dia maneho ny fotoana nanompoan'i Zakaria tao an-tempoly. Azo atao ny maneho mazava tsara izay asehon'izany. DH: "Taorian'ny niverenan'i Zakaria tao an-trano avy any amin'ny asany tao an-tempoly" # ny vadiny "vadin'i Zakaria" # niafina "tsy nivoaka ny trano" na "nijanona irery tao anatiny" # Izao no nataon'ny Tompo tamiko Ity fehezanteny ity dia maneho ny zava-misy hoe navelan'ny Tompo hitondra vohoka izy. # Izao no Faly be izy tamin'ny nataon'ny Tompo taminy # nitsinjo ahy ny hoe "mijery" dia fomba fiteny iray izay midika hoe "mandray" na hoe "miatrika." DH: "nijery ahy tamin'ny hatsaram-panahy" na hoe "namindra fo tamiko" # ny henatro Ity dia maneho ny henatra tsapany nohon'ny tsy fahafahany manan'anaka.