# mandeha manohitra Ahy Ny fandehanana dia mampiseho ny fitondrantena. Ny fandehanana manohitra an'Andriamanitra dia mampiseho ny fanoherana Azy na mikomy manohitra Azy. DH: "mikomy manohitra Ahy" # hitondra famelezena im-pito avo heny eo aminareo Aho DH: "Hamely anareo im-pito avo heny Aho" # hitondra famelezena im-pito avo heny eo aminareo Aho Ny fampitrangan'i Yaveh loza amin'ny vahoakan'ireo Isrealita dia resahina toy ny hoe hamely azy ireo amin'ny famelezana. DH: "Hahatonga loza hanohitra anreo im-pito avo heny Aho" na "hanasazy mafy anareo im-pito avo heny Aho" # im-pito Eto, ny "im-pito" dia tsy ara-bakiteny. Io dia midika fa Yaveh dia hampitombo ny fahasarotan'ny fanasaziany. # araka ny fahotanareo Ny anarana "fahotana" dia azo adika amin'ny matoanteny "manota." DH: "araka ny hamaron'ny efa nanotanareo" # izay hangalatra ireo zanakareo Ny fangalarana dia mampiseho fanafihana na fandrombana azy ireo. DH: "izay hanafika ny zanakareo" na "izay handroba ny zanakareo" # Ka ho tonga ngazana ny lalanareo "Ka tsy hisy handeha amin'ny lalanareo." Ny ngazana dia tsy misy na inona na inona.