# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy lazainy amin'i Arona sy ireo zanany lahy i Yaveh. # eo amin'ny toerana famonoana izany Io dia azo hazavaina fa io dia manondro toerana izay hamonona ilay biby hatao fanatitanohon'ny fahotana. Jereo ny 1:10. # Ny sabora rehetra eo amin'izany dia ho atolotra DH: "Tsy maintsy manolotra ny sabora rehetra ao amin'izany ilay mpisorona" # ny ao anatiny Io dia ny vavoniny sy ny tsinainy. # ny voa ...ny voa adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 3:3 ireo teny ireo. # manakaiky ny valahany Io dia faritry ny vatana eo an-kilan'ny hazon-damosina eo anelanelan'ny taola-tehezana sy ny taolan'andilana. Jereo ny fomba nandikanao an'io tao amin'ny 3:3. # dia aoka ho esorina avokoa DH: "aoka ho esorin'ilay mpisorona avokoa izany"