# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Yaveh dia manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona sy ireo mpisorona mba ho azony ekena ny fanatitr'izy ireo. # izay nandrahoina tamin'ny lafaoro DH: "izay nandrahoinareo tao anaty lafaoro" # lafaoro Io dia mety ho fitaovana poak'aty vita tamin'ny tanimanga. Arehitra ao ambanin'ilay lafaoro ny afo, ary ny hafanana no manamasaka ny koba ao anatin'ilay lafaoro. # mofo malemy vita tamin'ny koba tsara toto Fantatra fa tsy misy lalivay ilay mofo malemy. # izay voahosotra diloilo Adikao io andian-teny io mba hhamantarana fa ilay diloilo dia aparitaka eo amin'ilay mofo. DH: "mofo misy menaka" # Raha nandrahoina tamin'ny lasitra vy fisaka ny fanatitra voa DH: "raha mahandro ny fanatitra voa tamin'ny lasitra vy fisaka ianao" # lasitra vy fisaka Io dia lovia izay vita tamin'ny tanimanga na vy. Apetraka eo ambony afo ilay lovia , ary masaka eo ambon'ilay lovia ny koba.