# Nanota be Jerosalema Io dia manoritsoritra an'i Jerosalema toy ny olona izay nanota, raha midika hoe ireo mponin'i Jerosalema izany. # nalaim-baraka tahaka ny zavatra maloto Araka ny lalàn'ny Testamenta Taloha, dia maloto araka ny fomba mandritra ny fadim-bolany ny vehivavy. "Nahatonga azy ho maloto sy tsy madio ireo fahotan'i Jerosalema, ary tsy nekena teo anatrehan'Andriamanitra izy noho izany." # ny fitanjahany Soritsoritana tahaka ny vehivavy izay mideradera amin'ny olona rehetra ny faritra saropady mba hamenatra azy. DH: "ny mitanjaka" # Nahatsiravina ny fianjerany DH: "Nahatalanjona ny fianjerany" na "gaga ireo izay nahita ny faharavany" # Jereo ny fahoriako, ry Yaveh Ireo mety ho heviny dia 1) miresaka mivantana amin'i Yaveh ny mpanoratra ny Fitomaniana izao na 2) Soritsoritana toy ny hoe miresaka amin'i Yaveh tahaka ny olona i Jerosalema. # Jereo DH: "Henoy"