# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Manomboka manandrina an'i Joba amin'ny fanontaniana samihafa i Joba. # Taiza ianao fony nanorina ny fototry ny tany Aho? Lazao Ahy, raha tena manana fahazavan-tsaina be ianao Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Lazao Ahy izay nisy anao raha nanorina ny fototry ny tany Aho, raha tena manana fahazavan-tsaina be ianao" # nanorina ny fototry ny tany Aho Yaveh dia manoritsoritra ny famoronany ny tany toy ny hoe manorina fotodrafitr'asa. # raha tena manana fahazavan-tsaina be ianao Ny anarana "fahazavan-tsaina" dia azo adika amin'ny matoanteny "mahatakatra." DH: "raha tena mahatakatra tokoa ianao" # Iza no namaritra ireo refiny? Lazao Ahy, raha fantatrao Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Lazao Ahy izay namaritra ny refiny, raha fantatrao" # Iza no nanenjana ny tady fandrefesana teo aminy? Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "lazao ahy izay nanenjana ny tady fandrefesana teo aminy." # tady fandrefesana tady nakofehy izay ampiasain'ny olona mba hahamarina ny habe na ny endriky ny zavatra iray.