# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny fitenenany i Eliho. Isak'ireo andininy ireo dia ahitana andian-teny mitovy. # ry lehilahy manana fahazavan-tsaina Mitsikera an'i Joba sy ireo namany i Eliho. Tsy mihevitra azy ireo ho tena hendry akory izy. # sanatria amin'Andriamanitra ... sanatria amin'ilay Tsitoha anie ny hanota Ireo andian-teny roa ireo dia mitovy ny dikany ary ampiasaina miaraka mba hanamafisana fa Andriamanitra dia tsy hanao ratsy na oviana na oviana. Ny teny "sanatria" dia fomba fiteny. DH: "Andriamanitra dia tsy hihevitra ny hanao izay ratsy na diso na oviana na ovina!" (UDB) # Satria mamaly ny asan'ny olona izy Io dia midika fa manomeny olona izay mendrika ny asa vitany Izy. Eto, ny "asa" dia sarin-tenin'ny zavatra ataon'ny olona iray. DH: "Stria manome izay mendrika havaly izay ataony Izy" # ataony tody amin'ny valisoan'ny lalana nosafidiany ny olona rehetra Ny andian-teny "ny lalana nosafidiany" dia fomba fitenenana ny fomba fiainany ny fiainany. Manamafy Eliho fa Andiamanitra dia manome ny olona izay mendrika azy ireo. DH: "Ataony mandray valisoa mendrika ny fomba fiainany ny olona rehetra"