# Ireo izay sisa velona amin'izany "ireo izay mbola velona aorian'ny fahatesany." Io dia manondro ny zanaky ny olona ratsy fanahy. Azo adika mazava tsara io. DH: "Ireo izay mbola velona aorian'ny fahafatesan'ny ray ratsy fanahy" # dia halevin'ny areti-mandringana Eto, ny "mandevina" dia mampiseho fahafatesana. DH: "ho fatin'ny areti-mandringana" # ny vady navelan'izy ireo ... azy ireo ny teny hoe "izy ireo" sy ny "azy ireo" dia manondro ireo izay sisa tavelany," izany hoe, ireo zanaky ny olona ratsy fanahy. # manangona volafotsy toy ny vovoka Ny "manangona" dia sarin-teny izay midika ho mandraoka. Joba dia miresaka ny volafotsy ho mora azo tahaka ny vovoka. DH: "mandraoka vovoka misavovona" na "manangona volafotsy mora foana tahaka ny fanangoanany vovoka" # manangona fitafiana toy ny tanimanga Ny "manangona" dia sarin-teny izay midika ho mandraoka. Joba dia miresaka ny fitafiana ho mora azo tahaka ny tanimanga. DH: "manangona fitafiana misavovona" na "manangona fitafiana mora foana tahaka ny fanangoanany tanimanga"