# Hampianatra anareo Ny fisehoan'ny "ianareo" ao amin'ireo andininy ireo dia manondro ireo naman'i Joba. # ny tanan'Andriamanitra Ny "tanan'Andriamanitra" dia mampiseho ny heriny. DH: "ny herin'Andriamanitra" # tsy hanafina ny eritreritr'ilay Tsitoha aho Ny anarana "eritreritra" dia azo adika amin'ny matoanteny "mieritreritra." DH: "Tsy hafeniko aminareo izay eritreretin'Andriamanitra" # koa nahoana ary ianareo no niteny izao zavatra tsy misy dikany rehetra izao? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hitenenany mafy ireo namany ny amin'ny fitenenana zava-poana tahaka izany. DH: "fa kosa niteny izao zavatra tsy misy dikany rehetra izao ianareo." na "tsy tokony niteny tamim-pahadalana ianareo!"