# fa ny zava-poana no ho valisoany Ny teny tsy feno dia azo tovanana. DH: "fa raha matoky azy ireo izy, dia ho zava-poana no ho valisoany" # tsy ho maitso ny sampany Ny olona toa hasatra sy maty dia resahina toy ny hoe taho na sampana maina izy. DH: "ho toy ny maty izy, tahaka ny sampan-kazo maty izay tsy maitso intsony" # Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy; ary hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva Ireo andalana roa ireo dia manome sary mitovy, izay averimberina mba hanamafisana fa tsy maintsy hitranga izany. # Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy Resahina toy ny hoe voaloboka manintsana voa tsy matoy ny olona ratsy fanahy izay miha malemy sy maty. DH: "tahaka ny voaloboka manintsana voa tsy matoy, no hanintsanan'ny ratsy fanahy ny heriny" # hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva Resahina toy ny hoe hazo oliva mandraraka vony ny olona ratsy fanahy miha malemy sy maty. DH: "tahaka ny hazo oliva mandraraka vony, no hahaverezan'ny ratsy fanahy ny heriny"