# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny : Ity toko ity dia manohy ny tenin'i Joba izay nanomboka tao amin'ny 12:1. miteny amin'Andriamanitra i Joba. # Ny olona, izay natera-behivavy Io dia manondro ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy; izay rehetra teraka teto amin'izay tontolo izao. # miaina andro vitsy monja Io dia fanitarana mba hanamafisana fa ny olona ny miaina fotoana fohy monja. DH: "miaina fotoana fohy monja" # feno fahoriana Ny "feno fahoriana" dia mampiseho ny fiainana olana maro. DH: "manana olana maro" na "mijaly mafy" # Mitsimoka amin'ny tany toy ny voninkazo izy ary voakapa Tahaka ny fiainan'ny voninkazo, ny fiainan'ny olona iray dia fohy ary mora maty. # mandositra toy ny aloka izy ary tsy maharitra Ny hafohin'ny fiainan'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny aloka izay mora manjavona. # Mba mijery an'ireny ve Ianao? Ny tian'i Joba lazaina dia ny tsy filany an'Andriamanitra mba mba hiaino tsara Azy. DH: "tsy mijery an'ireo Ianao" na "tsy mihaino tsara ireo Ianao. Aza dia henoina loatra re aho" # mijery Eto, ny fijerevana olona dia mampiseho ny fihainiana azy mba hitsarana azy. DH: "mihaino" na "mitady ny hadisoana" # Moa entinao ho tsaraina miaraka aminao aho? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fahagagany fa mitsara azy Andriamanitra na dia tsy miy fotony tahaka ny voninkazo aza izy. DH: "Kanefa dia mitsara ahy Ianao"