# Fampahafantarana amin'ny Ankapobenhy Io andalan-teny io dia mirakitra ireo fanontaniana fampisainana, izay anontanian'i Joba mba hanaovana karazana fanambarana. # Nahoana re aho no tsy maty rehefa nivoka avy tao an-kibo? "Nahoana re aho no tsy maty teo am-pahaterahana?" mametraka io fanontaniana io i Joba mba hanozonana ny andro nahaterahany sy mba hanehoana ny fangirifiriany. DH: "Tiako raha mba maty tamin'ny andro nahaterahako aho" # Nahoana aho no tsy nandao ny fanahiko raha niteraka ahy ny reniko? Ny tian'i Joba lazaina dia ny mba tsy hahaterahany velona. DH: "Tiako raha mba maty aho raha nivoaka avy ao an-kibo." # nandao ny fanahiko Io dia manondro fahafatesana # Nahoana no nitsena ahy ireo lohaliny? Mety manondro ny fiampofoan'ny renin'i Joba angamba io. Ireo lohaliky ny renininy di resahina toy ny olona izay afaka mitsena zaza vao teraka. DH: "Tiako raha tsy nisy fiampofoana nitsena ahy." # Nahoana no nandray ahy ireo nonony mba hahafahako mitsetsitra? Ny nonon'ny renin'i Joba dia resahina toy ny olona izay afaka mitsena zaza mena vava. DH: "Tiako raha mba tsy nisy nono hinonoana ho ahy."