# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Eto ny fizotry ny tantara dia mivadika miverina mankany amin'i Jesosy. # mpisoronabe Kaiafa izany. (Jereo ny 18:12) # momba ireo mpianany sy ny fampianarany Eto ny hoe "fampianarany" dia maneho izay zavatra nampianarin'i Jesosy tamin'ireo olona. DH: "momba ireo mpianany sy izay nampianariny an'ny olona. # Niteny ampahibemaso tamin'izao tontolo izao Aho Ny teny hoe "izao tontolo izao" dia entina maneho ireo olona izay nandre ny fampianaran'i Jesosy. Eto ny fanatomboana resaka hoe "izao tontolo izao" dia manamafy ny fanambaran'i Jesosy. # izay nifampintaonan'ny Jiosy rehetra Eto ny hoe "ny Jiosy rehetra" dia filazana masaka mba hanamafisana ny fanambaran'i Jesosy. DH: "maro tamin'ireo Jiosy" # Nahoana ianao no nanontany Ahy? Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanamafisana izay lazain'i Jesosy. DH: "Tsy tokony hanontany Ahy izany fanontaniana izany ianao!"