# hangataka amin'ny anarako ianareo Ny "anarana" eto dia entina hilazana ny olona iray sy ny fahefan'i Jesosy. DH: "hangataka ianareo satria Ahy ianareo" # ny Ray mihintsy no tia anareo satria nitia Ahy ianareo Rehefa tia an'i Jesosy ny olona iray, ilay Zanaka, dia tia an'ilay Ray koa, satria ny Ray sy ny Zanaka dia iray ihany. # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra. # Avy amin'ny Ray Aho ... handao ny tany indray Aho ary ho any amin'ny Ray Aorian'ny fahafatesana sy ny fitsanganany, dia hiverina any amin'Andriamanitra Ray Jesosy. # izao tontolo izao Eto ny hoe "izao tontolo izao" dia entina hanehoana ireo olona monina eto ambonin'ny tany.