# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Jesosy dia manohy ny fanoharany momban'ny mpiandry tsara. # Izaho no mpiandry tsara Eto ny "mpiandry tsara" dia sari-teny izay maneho an'i Jesosy. DH: "Izaho dia tahaka ny mpiandry tsara" # manolotra ny ainy Ny hoe manolotra zavatra dia tahaka ny hoe mahafohy ny fibaikoana an'izany zavatra izany. DH: "ho faty". # Ny mpikarama Ny "mpikarama" dia sari-teny maneho ireo mpitarika Jiosy sy ireo mpampianatra. DH: "Ilay iray izay tahaka ny mpikarama" # handao ny ondry ... tsy miraharaha ny ondry Eto ny teny hoe "ondry" dia sari-teny maneho ny olon'Andriamanitra. Tahaka ny mpikarama izay nandao ny ondry, dia miteny Jesosy fa ireo mpitarika Jiosy sy mpampianatra dia tsy miraharaha ny vahoakan'Andriamanitra.