# nahatongavako eto amin'izao tontolo izao Ny teny hoe "izao tontolo izao" dia sari-teny hilazana hoe "ireo olona eto amin'izao tontolo izao." DH: "tonga hiaina hiaraka amin'ny olona eto amin'ity tany ity" # mba hahiratra ireo izay jamba ary mba ho tonga jamba ireo izay mahiratra Eto ny "fahitana" sy ny "fahanjambana" dia sari-teny. Jesosy dia miavaka eo anatrehan'ny olona izay jamba ara-panahy sy ara-batana. DH: "ka ireo izay jamba ara-panahy, nefa te-hahita an'Andriamanitra, dia afaka mahita Azy, ary ireo izay efa manana eritreritra diso fa afaka mahita an'Andriamanitra dia hijanona ao amin'ny fahajamban'izy ireo" # Ary izahay ihany koa ve jamba? "Ianao ve mieritreritra fa izahay dia jamba ara-panahy?" # Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka Eto ny "fahajambana" dia sari-teny maneho ny hoe tsy mahafantatra ny fahamarinan'Andriamanitra. DH: "Raha te-hahafantatra ny fahamarinan'Andriamanitra ianareo, dia ho afaka mandray ny fahitanareo. # fa ianareo kosa ankehitriny milaza hoe: 'Mahiratra izahay,' dia mbola mitoetra ny helokareo Eto ny "fahitanareo" dia sari-teny maneho ny hoe "mahafantatra ny fahamarinan'Andriamanitra." DH: "satria ianareo manana eritreritra diso hoe efa mahafantatra an'Andriamanitra, dia hijanona ho jamba ianareo"