# Izay mandositra Io dia manondro ny olona izay afaka nandositra nandritra ny fandravana an'i Moaba. # ny alok'i Hesbona Toerana milamina ao amin'ny tanĂ nan'i Hesbona. # hivoaka avy ao Hesbona ny afo, ny lelan'afo avy eo afovoan'i Sihona Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy fa hanomboka ny fandravana an'i Moaba ar hiparitaka hatrany Hesbona. Hesbona no renivohitrin'ny mpanjakan'i Amorita, Sihona. # handrin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny olona mpirehareha Ireo fehezanteny ireo dia manondro ny vahoakan'i Hesbona sy ireo mpitariny. # handrina Faritra amin'ny tarehy izay ambonin'ny maso. Mariky ny fireharehana. # tampon-dohan'ny olona mpirehareha Io fehezanteny io dia manondro ireo olona manan-kaja tao Moaba, toy ireo andrian-dahy sy ireo mpitarika. Mariky ny fireharehana ihany koa.