# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ireto ny tenin'i Yaveh. # tonga ireo andro DH: "hisy fotoana" # izany fanambaran'i no Yaveh Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7. # rehefa hanasazy ireo rehetra voafora amin'ny nofony ihany Aho. Io dia manondro ny vahoakan'Israely izay niditra tao amin'ny fifaneken'i Yaveh tamin'ny famorana azy, saingy tsy nanaraka ny lalany. # ary ny olona rehetra izay manapaka ny volon-dohany ho tena fohy Io dia mety manondro ireo olona izay manapaka ny volony ho tena fohy mba hanompoina ny andriamanitri'ny sampy. # ary ny olona rehetra izay manapaka ny volon-dohany ho tena fohy Misy amin'ireo dikanteny vaovao no mandika io fomba fiteny io ho "ary ny olona rehetra izay miaina eny amoron'ny tany efitra." # Fa ireo firenena rehetra ireo dia tsy voafora Ireo vahiny mbola tsy voafora dia famantarana fa tsy tao anatin'ny fifaneken'i Yaveh izy ireo. DH: "Satria ireo firenena ireo dia tsy niditra tao anatin'ilay fifanekena niaraka tamin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny famorana." # ary ny ankohonan'Israely rehetra dia manana fo tsy voafora Ny fo tsy voafora dia mampiseho ny toetran'ny olona iray izay tsy mankato ny didin'i Yaveh. DH: "ary ny vahoakan'Israely rehetra dia tsy nitandrina ny fifanekena niaraka tamin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny fankatoavana Azy."