# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'i Jeremia mahakasika ny vahoakan'i Joda Yaveh. # Ianareo tsirairay avy Ny teny "ianareo" dia manondro ny vahoakan'i Joda. # mitandrema amin'ny namanareo ary aza mahatoky ireo rahalahy "aza matoky ny namanareo Israelita, na ny rahalahy mpirai-tampo aminareo aza" # ny namana rehetra dia mandeha amin'ny fanedrikendrehana Ny filazana lainga mahakasika ny olona tsirairay avy dia resahina toy ny hoe mandeha amin'ny fanedrikendrehana. # Ny olona tsirairay dia maniratsira ny namany ary tsy milaza ny marina "mifaneso avy ny olona rehetra, ary tsy milaza ny marina" # Ny lelan'izy ireo dia mampianatra zavatra fitaka DH: "Mampianatra zavatra tsy marina izy ireo." # Reraka amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo "Reraka tamin'ny fanotana be loatra izy ireo" # Ny fonenany dia eo afovoan'ny fitaka Miresaka amin'i Jeremia Yaveh. Ny fiarahana mipetraka eo amin'ireo mpandainga dia resahina toy ny hoe miaina eo anoloan'ny fitaka. # amin'ny famitahany dia mandà ny hanaiky Ahy izy "tamin ny filazana ireo lainga ireo, ny vahoakan'i Joda dia nandà ny hankato Ahy ho Andriamanitra." # izany no fanambaran'Yaveh Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.