# Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra Ireo zana-tsipika zay avy tao amin'ny tranony dia namono olona maro ary nandefa azy ireo any am-pasana. DH: "izany firenena izany dia hampiasa zana-tsipika hamonoana vahoaka maro." # Ny tranon-jana-tsipìkany Ny teny "... any" dia manondro ny firenena izay entin'i Yaveh hanafiana an'Israely. # Noho izany dia ho levona ny vokatrareo DH: "Noho izany ny tafik'izany firenena izany dia hinana izay voakatrareo." # Hihinana ... izy ireo Ny teny "izy ireo" dia manondro ny tafik'izany firenena izany. # Handrava amin'ny sabatra ny tanàna mimandanareo izay itokianareo izy ireo Ny sabatra dia maneho ireo karazana fitaovam-piadina izay nentin'ny olona rehefa miady. DH: "Hampiasa ny fitaovam-piadian'izy ireo hanafiana ireo tanàna voaaronareo." # izay itokianareo "izay nieritreretinareo fa mafy ampy hiarro anareo tsara"