# Raha miverina ianao, ry Israely "Raha miverina Amiko ianao, ry vahoakan'Israely" na "raha manova ny fitondran-tenanao ianao, ry vahoakan'Israely" # Amiko no tokony hiverenanao Ny mety ho heviny; ity dia famerenana ny fehezanteny voalohany: "raha miverina amiko ianao," DH: "ary miverena Amiko" na "ary miverena manompo Ahy indray." # izao no fanambaran'i Yaveh Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7. # Raha hesorinao tsy ho eo anoloako ireo zavatra maharikorikonao Io fehezanteny io dia manondro ireo sampy toy ny zavatra izay mendrika hatezerana lehibe. DH: "Esory eo anatrehako ireo sampy marikorikonao" # tsy hiala eo amiko indray ianao Ny "miala" dia sarinteny hilazana ny tsy fivadihana. DH: "mitoera hatoky Ahy" # Ny taninao ihany no hasao, ary aza mamafy eny amin'ny tsilo Niteny ireo olona Yaveh mba hanomana ny fiainan'izy ireo toy ny mpamboly manomana ny tany hamboleny.