# hitan'i Delila Eto ny teny hoe "hitan-" dia fomba fiteny izay midika hoe mahataka-javatra. DH: "takatr'i Delila" (UDB) na "nahafantatra i Delila" # ny marina momba ny zavatra rehetra Eto ny ny andian-teny ohe "zavatra rehetra" dia ilazana ny zavatra rehetra nahatonga an'i Samsona natanjaka. DH: "ny marina momban'ny nahatonga an'i Samsona natanjaka" # Miakara indray Niteny tamin'ireo mpanapaka mba ho avy indray ao amin'izay ipetrahany i Delila. Ny tranon'i Delila dia mety amin'ny toerana avo kokoa noho izay toerana nandehanan'ireo mpanapaka. # nitondra ny volafotsy teny an-tanan'izy ireo Izany dia midika fa nentin'izy ireo ho azy ilay volafotsy izay nampanantenain'izy ireo homena azy raha manampy azy ireo hisambotra an"i Samsona izy. DH: "nitondra ny volafotsy izay nampanantenain'izy ireo homena azy" # Nataony resy tory "nampatoriany izy" # amin'ny feny Izany dia midika fa nampatory ny lohany teo amin'ny feny izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "tamin'ny lohany teo amin'ny feny" # fe Ny atao hoe fe dia ny faritra miakatra ambon'ny ranjo rehefa mipetraka. # ireo vona fito teo amin'ny lohany Nisy vonam-bolo fito teo amin'ny lohan'i Samsona. Ny vona dia ampaham-bolo kely mivona. Eto dia lazaina fa an'ny lohany ireo vona ireo. DH: "ireo vonam-bolo fito teo amin'ny lohany" # nandresy azy "nifehy azy" # niala taminy ny heriny Eto dia heverina ho toy olona handao azy ny herin'i Samsona. DH: "Tsy hatanjaka intsony izy''