# Hoy izy tamin'ny tenany hoe Izany dia midika fa niheritreritra izy. DH: "Niheritreritra ny tenany izy" # Handeha ho any amin'ny efitranom-badiko aho Nikasa ny hiara-mandry amin'ny vadiny i Samsona. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "Ho any an-tranom-dadiko aho, ka hiara-mandry izahay'' # tsy namela azy niditra Manampy kokoa ny fanampiana teny hafa. DH: "tsy namela azy niditra tao amin'ny efitranony" # ka nomeko ny namanao izy Izany dia midika fa nomeny mba ho vadin'ny namany izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "ka nomeko mba ho vadin'ny namanao izy" # sa tsy izany? Nametraka izany fanontaniana izy mba haneken'i Samsona ny heviny. Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Mino aho fa manaiky ianao." # Alaivo ho solony izy Nanoro an'i Samsona mba haka azy ho vady izy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "Alaivo ho solon'ny vadinao izy"