# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Niteny ny ankamatany i Samsona. Satria heverina fa sarotra takarina izany, tsy azo adika amin'ny fomba mora izany sao fantatry ny olona mora foana ny heviny. # Avy ao amin'ny mpihinana no misy zavatra fihinana "Avy ao amin'ny mpihinana no ivoahan'ny zavatra fihinana" na "Ny zavatra fihinana dia mivoaka avy amin'ny zavatra mihinana" # ny mpihinana Ny teny hoe "mpihinana," dia anarana azo avadika ho matoanteny. DH: "ny zavatra izay mihinana" # avy ao amin'ny matanjaka no misy zavatra malefaka "Ny zavatra malefaka dia mivoaka avy amin'ny zavatra matanjaka" # ny matanjaka Entina ilazana zavatra matanjaka izay izany. DH: "zavatra matanjaka" # ireo vahiny nasainy "ireo olona ao amin'ny fanasany" # tsy nahita ny valiny Eto ny fahafantarana ny valin'ny ankamantatra dia resahina toy ny hoe zavatra afenina izay tsy maintsy tadiaviny sy karohin'ireo vahiny. DH: "tsy nahafantatra ny valiny"