# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanao fanoharana i Jotama, dia fanoharana ny vondron'olona samy hafa amin'ny hazo izany. # Rehefa nolazaina ny mikasika izany i Jotama Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "Rehefa ren'i Jotama fa namono ireo rahalahiny i Abimeleka" # Tendrombohitra Gerizima Tendrombohitra izany. # Indray andro dia nivoaka ny hazo mba hanosotra mpanjaka iray ho eo amin'izy ireo. Satria hoy izy ireo tamin'ny hazon'oliva hoe: "Manjakà aminay.' Amin'izany fanoharana izany dia manoritsoritra izay ataon'ireo hazo tahaka ny olombelona i Jotama. # mba hanosotra mpanjaka iray ho eo amin'izy ireo Ny fanosorana diloilo et dia famantarana amin'ny fanendrena olona ho mpanjaka. DH: "mba hanendry mpanjaka hanapaka eo amin'izy ireo" # Manjakà aminay "Aoka ianao ho mpanjakanay"