# Moa ve eo am-pelatananao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nametraka fanontaniana ireo mpitarika mba hanamafisana fa tsy mbola voasambotry ireo Israelita i Zebaha sy Zalamona. DH: "Mbola tsy voasambotrareo i Zebaha sy Zalamona." # Moa ve ... ny tanan'i Zebaha sy Zalmona Eto ny hoe "tanana" dia entina ilazana ny vatana manontolo. # eo am-pelatananao ... ankehitriny Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fahefana na fifehezana. # Nahoana no tokony hanome mofo ho an' ireo miaramilanao izahay? Nametraka fanontaniana ireo mpitarika mba hanamafisana fa tsy misy antony tokony hanomezana mofo ho an'ny Israelita. DH: "Tsy hitanay ny antony tokony hanomezana mofo ny miaramilanao." # ho triariko amin'ny tsilo avy any an'efitra sy raketa ny hoditrareo Azo adika mazava kokoa ny dika fenon'izany andian-teny izany. DH: "Hanamboatra karavasy amin'ny tsilo sy raketa avy any an'efitra aho ary hampiasaiko hivelesako sy hanapahako anareo izany" # tsilo sy raketa Zavatra matsokotsoko amin'ny hazom-boaloboka na rantsana maranitra afaka manapaka olona na biby.