# amiko ... mba hanomezako fandresena ho anao eo amin'ireo Midianita Ny hoe "fandresena" dia anarana. D.H: "amiko ... mba hamelako anao handresy ireo Medianita" # Ny herinay no namonjy anay Eto ny hoe "heri-" dia ilazana ireo vahoaka. DH: "Namonjy ny tenanay tsy nisy ny fanampian'i Yaveh izahay" # ankehitriny Ny dikan'izany akory tsy hoe "amin'izao fotoana izao,'' fa kosa mba hanomezan-danja izay ho lazaina manaraka. # ambarao eo an-tsofin'ny vahoaka Eto ny hoe ''-sofin(a)-" dia ilazana ny olona manontolo. DH: "ambarao amin'ny vahoaka" # Na iza na iza matahotra, na iza na iza mangovitra Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo. # mangovitra Izany dia ilazana ny tahotra izay mahatonga ny olona iray hiovitrovitra. DH: "nihovitrovitry ny tahotra" # aoka izy hiverina Azo atao mazava ihany koa ny toerana handehanany. DH: "aoka izy hiverina any an-tranony" # Tendrombohitra Gileada Anarana tendrombohitra any amin'ny faritr'i Gileada izany. # roa arivo sy roa alina "22.000" # iray alina kosa nijanona Mitovy ihany ny hevitry ny teny hoe "olona" sy "lehilahy." DH: "olona 10.000 kosa nijanona" na "lehilahy 10.000 kosa nijanona" # iray alina "10.000"