# Nitoetra... Gileada Eto ny hoe "Gileada" dia ireo lehilahy avy any Gileada izay tokony niatrik'ady. DH: "Nijanona ireo lehilahin'i Gileada" # an-dafin'i Jordana Izany dia entina ilazana ny ilany atsinanan'i Jordana. # ary Dana, nahoana izy no nivenjivenjy teny ambony sambo? Napetraka mba hanehoana fahatezerana io fanontaniana io satria tsy niady ho an'i Israely ny vahoakan'ny fokon'i Dana. DH: "ary tsy tokony nijanona teny ambonin'ny sambony ireo lehilahin'i Dana" na "ary tsy nanampy anay tamin'ny ady ny vahoakan'ny fokon'i Dana. Fa naleon'izy ireo nivenjivenjy tao anaty sambo teny ambony ranomasina." # ary Dana, nahoana izy Eto ny hoe "Dana" dia ireo lehilahy avy any Dana izay tokony nandeha niatrik'ady. DH: "ireo lehilahin'i Dana, nahoana izy ireo" # nivenjivenjy teny ambony sambo Nipetraka teny akaikin'ny ranomasina Mediteraneana ny fokon'i Dana. Miandriaka eny an-dranomasina izy ireo mba ahazoany vola amin'ny varotra sy ny jono. # Nijanona teny amoron-dranomasina i Asera ary nitoetra teny akaikin'ny seranan-tsambo Azo azavaina ny dika fenon'izany fehezanteny izany. DH: "Tsy nahavita nanampy anay ny vahoakan'ny fokon'i Asera, nijanona teny amoron-tsiraka akaikin'ny seranan-tsambony izy ireo" # Nijanona ... Asera Eto ny hoe "Asera" dia ireo lehilahy izay tokony nadeha niatrik'ady. DH: "Nijanona ireo lehilahin'i Asera" # seranan-tsambo toerana lalina fitobian'ny sambo eny amoron-dranomasina. # Naftaly, ihany koa Azo azavaina misimisy kokoa izany DH: "Naftaly ihany koa dia foko nanao vy very ny ainy hatramin'ny fahafatesana"