# Lakisy Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-tanàna io. # Sankeriba Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 36:1 io anaran-dehilahy io. # Libna Io dia anaran-tanàna any atsimon'i Joda. # nihetsika hiady aminy i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta "Tiraka" dia anaran-dehilahy. Nanetsika ny tafiny izy mba ho vonona hiady ireo. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "Efa nanetsika ny tafiny i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta" # hiady aminy Ny teny hoe "aminy" dia manambara an'i Sankeriba. Io andianteny io dia manondro ny fiadiana tamin'ny tafik'i Sankeriba. DH: "mba hiady amin'ny tafik'i Sankeriba" # Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema Ny teny hoe "tanana" dia manondro ny herin'ny tafika miaramila. DH: "Tsy handresy anareo ao Jerosalema ny mpanjakan'i Asyria sy ny tafiny"