# Izay rehetra hita dia ho faty avokoa ... izay rehetra tratra dia ho fatin'ny sabatra Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Ho vonoin'ny fahavalo amin'ny sabatra ireo rehetra hitany" # Ny zaza madinik'izy ireo dia ho torotoroina DH: "Ho torotoroin'ny fahavalo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo" na "Ho kapokapohin'ny fahavalo mandra-pahafaty azy ireo ihany koa ny zaza madinik'izy ireo" # eo imasony Ny hoe "eo imasony" dia midika hoe "eo anatrehany" na "raha mbola mijery izy ireo." Azo atao mazava fa tsy afaka manampy ny zaza madinik'izy ireo ny ray aman-dreny amin'io. DH: "rehefa tsy afa-manoatra mijery azy ireo ny ray aman-dreniny" # Ny tranon'izy ireo dia ho voababo Midika izany fa hangalarina avy ao an-tranony ireo zava-tsarobidy rehetra. DH: "Handroba ny tranon'izy ireo ny fahavalo" na "Hangalatra ny zava-tsarobidy rehetra avy ao an-tranon'ny olona ny fahavalo" # ireo vadiny ho voaholana Midika izany fa hanafika ireo vehivavy ny fahavalo ka hanery azy ireo hanao firaisana ara-nofo aminy. DH: "haolan'ny fahavalo ny vadin'izy ireo."