# tahaka ny lela afo mandevona ny mololo, ary tahaka ny ahitra maina levon'ny afo Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. Hanafay ireo olona nofaritana tao amin'ny 5:18 Andriamanitra. DH: "tahaka ny fandoran'ny afo ny mololo sy ny ahitra maina" # mololo "tahom-bary maina." Ilazana ny ampahany amin'ny zava-maniry izay avela ho faty eny an-tanimboly aorian'ny nanangonan'ny mpamboly ny sakafo izany. # dia ho lo ny fakan'ireo, ary hanidina tahaka ny vovoka ireo felany Resahin'Isaia toy ny hoe zava-maniry ho faty ny vahoaka. DH: "ho faty tahaka ny zava-maniry izay lo faka sy tsofin'ny rivotra ny felany izy ireo"