# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Nanoy namaly an'i Habakoka i Yaveh. Nohariny ho olona iray amin'ireo Kaladiana izy. # Loza ho an'izay manangana tanàna amin'ny rà, ary izay manorina tanàn-dehibe amin'ny heloka Milaza zavatra mitovy ireo andian-teny ireo amin'ny fijery roa samihafa. Azo andikana azy ny hoe: "Fampitandremana ny Kaldeana izay manorina tanàna amin'izay nangalarina avy amin'ny olona novonoin'izy ireo" # Amin'ny rà Avy amin'ny famonoana olona. Azo andikana azy ny hoe: "ny iray izay mamono olona sy mangalatra ireo tsara mba hananganana tanàna." # Ary izay manorina tanàn-dehibe amin'ny heloka "Ireo izay malaza amin'ny toetra ratsy ao "an-tanab_dehibe." Manorina ireo tanànany mba ahafahany mangalatra amin'ny olona novoinoiny izy ireo. # Tsy avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro ve no hiasan'ireo vahoaka amin'ny afo sy ny hisasaran'ireo firenena amin'ny zava-poana? Andriamanitra no niandohan'ny faharavan'izay naoron'ny olona. Voalaza amin'ny hevitra roa samihafa izany mba hampazava tsara ny dikany. Azo andikana azy ny hoe: "Yaveh irery no fiandohan'ny asa mafin'ny olona amin'ny fananganana mba ho simbaina amin'ny afo ary tsy mamokatra na inona na inona."