# Namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony "Namihina an'i Benjamina rahalahiny i Josefa, ary samy nitomany izy ireo" # Nanoroka ny rahalahiny rehetra izy fomba ny manoroka ny havana tiana na mamihina azy ireny # nitomany teo amin'izy ireo Ny heviny dia hoe nitomany i Josefa raha nanoroka azy ireo. # Tao aorian'izay dia niresaka taminy ireo rahalahiny Vao haingana teo no natahotra mafy ny hiresaka aminy izy ireo. Izao kosa dia mahatsapa izy ireo fa afaka miresaka an-kalalahana. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia afaka atao mazava. DH: "Tao aorian'izay dia niresaka an-kalalahana taminy ireto rahalahiny"