# Nalan'i Farao tamin'ny tanany ny peratra misy ny tombo-kaseny ... rojo volamena ny vozony Ireo fihetsika rehetra ireo no mampiseho fa nanome ny fahefana an'i Josefa hanao izay rehetra nokasainy i Farao. # peratra misy ny tombo-kase Ny peratra izay misy ny tombo-kasen'ny Farao. Manome ny fahefana sy ny vola izay ilaina hanatanterahan'i Josefa ny drafiny. # lamba rongony manify "Rongony fotsy" dia zavatra malandy, lamba mafy izay vita avy amin'ny voninkazo mamony manga. # Nampitaingenana teo amin'ny kalesy faharoa izay azy izy Izany fihetsika izany dia manazava amin'ny olona fa i Josefa no hany faharoa manaraka an'i Farao. # Mandohaliha "mandohaliha ary omeo voninahitra i Josefa." Ny mandohalika sy ny mitsaoka dia fanomezam-boninahitra sy famatara-panajana. # Nataon'i Farao nanapaka teo amin'ny tanin'i (...) rehetra izy Ny andian-teny "nanao anao teo" = Nataon (...) nanapaka teo dia midika hoe nomeny fahefana. Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:39. DH: "Ataoko misahana ny olona rehetra manerana an'i Egypta ianao"