# Fa Yaveh nomba an'i Josefa Ilazana izay nikarakaran'i Yaveh an'i Josefa sy ny fahatsarany taminy izany. DH: "Kanefa Yaveh naneho ny fahatsarany tamin'i Josefa" (UDB) na "Kanefa Yaveh nikarakara an'i Josefa" # Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy Ny heviny dia hoe nataon'i Yaveh nanaiky sy nitondra azy tsara ny mpiambina ny fonja. DH: "Nataon'i Yaveh nankasitraka an'i Josefa ny mpiambina ny fonja" # ilay mpiambina ny fonja "ilay mpandraharaha ny fonja" na "ilay lehilahy izay miandraikitra ny fonja" # Nampandray an-tanana an'i Josefa Eto ny "tanana" dia ilazana ny hery na fitokiana izay ananan'i Josefa. DH: "nampiandraikitra an'i Josefa" # Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa "Niandraikitra ny zavatra rehetra izay nataon'izy ireo tao i Josefa" # satria nomba azy Yaveh Ilazana ny nanampian'i Yaveh an'i Josefa sy ny nitarihany azy izany. DH: "satria nitarika an'i Josefa i Yaveh" # Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh "Nataon'i Yaveh ambinina ny zavatra rehetra izay nataon'i Josefa"