# "vonjeo (...) aho" "avoty aho" # amin'ny tanan'ny rahalahiko, ny tanan'i Esao Eto ny teny "tanana" dia ilazana ny hery. Ireo andian-teny roa ireo dia manana dika mitovy ihany.Ilay faharoa dia manazava fa Esao ilay rahalahy izay nandrasan'i Jakoba. DH: "amin'ny herin'i Esao, rahalahiko" na "amin'i Esao rahalahiko" # fa matahotra azy aho, ndrao ho avy izy "matahotra aho fa ho avy izy" # Kanefa Ianao niteny hoe: 'Ho ambiniko tokoa ianao. Hataoko (...) ireo taranakao ... hisaina.' Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Kanefa Ianao niteny fa hanambina ahy tokoa, ary hataonao (...) ireo taranakao ... hisaina'' # hanambina anao "hanao soa anao'' na ''hitondra tsara anao'' # Hataoko ho toy ny fasi-dranomasina ny taranakao Izany dia miresaka ny amin'ny tsy maha tambo isaina tahaka ny voan'ny fasika eny an-dranomasina ireo taranak'i Jakoba. # izay tsy ho tambo isaina Afaka atao izany hoe: DH: "izay tsy misy afaka manisa ny isan'izy ireo"