# Nandeha nivoaka hariva mba hivavaka tany an-tsaha Isaka "Indray hariva Isaka dia nandeha nivoaka ho any an-tsaha mba handinika." Tsy maintsy hoe fotoana ela tao aorian'ny nialan'ilay mpanompo sy Rebeka tany an-tranony izany satria efa nandeha lalan-davitra izy ireo. # Rehefa niandrandra izy dia nahita, indreny, nisy rameva tamy! Ny teny hoe: "indreny" eto dia manaitra antsika hiaino tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka eo. "Rehefa nitraka izy dia taitra raha nahita rameva tamy" # Nitazana Rebeka "niandrandra i Rebeka" # nitsambikina nidina avy teo amin'ny rameva izy "nidina faingana avy eo amin'ny rameva" # Koa nalain'i Rebeka ny voaliny, ary nosaronany ny tenany "koa dia nanarona ny tavany tamin'ny voaliny izy." Famantaram-panajana sy fanetre-tena manoloana ilay lehilahy izay hanambady azy izany. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava. # voaly Tapa-damba nampiasaina hanaronan'ny olona ny lohany, ny soriny sy ny tavany