# Andriamanitra nampahiratra ny masony, ka nahita Ny nampahalalan'Andriamanitra an'i Hagara ny fisian'ny fantsakana dia resahina toy ny hoe nanokatra ny masony ara-bakin-teny Izy. DH: "nampahita an'i Hagara Andriamanitra" na "nasehon'Andriamanitra azy" (UDB) # ilay siny hoditra "ilay fasiana vita amin'ny hoditra" na "ilay kitapo" # ilay zaza "ilay zaza lahy kely" na "Ismaela" # Nomba ilay zaza Andriamanitra Eto ny andian-teny "Nomba" dia fomba fiteny izay midika fa Andriamanitra nanampy na nitahy ilay zaza lahy kely. DH: "nitarika ilay zaza lahy kely Andriamanitra" na "nitahy ilay zaza lahy kely Andriamanitra" # lasa mpandefa tsipìka "lasa nanana fahaiza-manao tamin'ny fampiasana tsipìka sy zana-tsipìka" # nahazo vady "nahita vady"