# naka mofo Ireo mety ho heviny dia 1) entina ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny na 2) entina ilazana manokana ny mofo. # siny hoditra nisy rano "kitapon-drano." Vita amin'ny hodi-biby ny fitoeran-drano. # Rehefa lany ny rano tao anaty siny hoditra "Rehefa fona ny rano tao anaty siny hoditra" na "rehefa tapitra nosotroin'izy ireo ny rano rehetra" # sahabo ho halaviran'ny fandefasana tsipìka teo Ilazana ny elanelan'ny fahafahan'ny olona manipy zana-tsipìka amin'ny tsipìka. Sahabo ho 100 metatra eo izany. # Aoka aho tsy hijery ny fahafatesan'ny zaza Ny anarana hoe: "fahafatesana" dia azo soloina hoe: "maty." DH: "Tsy te ahita ny zaza maty aho" # nanandratra ny feony izy ka nitomany Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomany. Ny "nanandratra ny feony" dia midika hoe mihiakiaka mitomany mafy. DH: "nihiakiaka mafy sy nitomany izy" na "nitomany mafy izy"