# Fampahafantarana ankapobeny: Nanohy niresaka tamin'i Yaveh i Abrahama. # Angamba misy "raha atao hoe misy" # Handripaka izany ve Ianao ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao? Nanantena i Abrahama fa hiteny i Yaveh hoe: "tsy handripaka an'izany Aho." DH: "mihevitra aho fa tsy handripaka an'izany Ianao. Eny, hamindra fo amin'ny toerana Ianao noho ny amin'ny dimam-polo marina izay ao" # Handripaka izany "mandringana izany." Miresaka ny fandringanana ny olona toy ny famafana loto amin'ny kifafa i Abrahama. DH: "mandringana ny olona izay mipetraka ao" # ary tsy hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao? Nanantena i Abrahama fa hiteny i Andriamanitra hoe: "hamindra fo ny toerana nohon'ny amin'ny dimam-polo marina izay ao." # hamindra fo ny toerana "hamela ny olona hiaina" # nohon'ny amin'ny "nohon'ny amin'ny" # sanatria aminao ny hanao zavatra toy izany "Tsy iriako mihintsy ny hanaovanao zavatra tahaka izany" na "tsy tokony hanao zavatra tahaka izany ianao" # zavatra toy izany, mamono "zavatra toy ny famonoana" na "zavatra toy, izay famonoana" # mitondra ny marina tahaka ny ratsy fanahy Afaka atao izany hoe: DH: "tokony hitondra ny marina mitovy amin'ny fomba fitondrana ny ratsy fanahy ianao" # Tsy hanao izay marina ve ny Mpitsaran'ny tany rehetra? Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abrahama mba ilazana izay niandrasany hataon'Andriamanitra. DH: "Ny Mpitsaran'ny tany rehetra dia hanao izay marina tokoa" na "Koa satria Ianao no mpitsaran'ny tany rehetra, dia hanao izay mety tokoa ianao!"