# Inona ity nataonao? Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Andriamanitra mba hitenenana mafy an'i Kaina. Izany dia azo adika toy ny fanambarana. DH: "mahatsiravina izay nataonao!" (UDB) # Ny ràn'ny rahalahinao dia miantso Ahy mafy Ny ràn'i Abela dia sarinteny ilazana ny fahafatesany, toy ny olona izay miantso mafy an'Andriamanitra izany mba hanasazy an'i Kaina. DH: "Ny ràn'ny rahalahinao dia toy ny olona miantso Ahy mafy mba hanasazy ny olona izay namono azy " # Ankehitriny dia voaozona izay avy amin'ny tany DH: "Manozona anao aho mba tsy hamokaranao sakafo avy amin'ny tany" # izay nanokatra ny vavany mba hitelina ny ràn'ny rahalahinao Miresaka ny tany toy ny olona izay afaka misotro ny ràn'i Abela Andriamanitra. DH: "izay vonton'ny àn'ny rahalahinao" # avy amin'ny tananao Resahan'Andriamanitra ho toy ny nandraraka ny ràn'i Abela tamin'ny "vavan'ny" tany ny tanan'i Kaina. DH: "izay niraraka raha namono azy ianao" na "avy aminao" # hamboly Ny dikan'izany dia manao ny asa rehetra izay tokony hatao mba hahafahan'ny zava-maniry mitombo tsara. Jereo ny nandikana ny "hamboly" ao amin'ny 2:4. # tsy hamokatra ny heriny ho anao Ny tany dia nomena toetran'ny olona toy ny olona izay very ny hery" # Ho mpanjenjena sy mpirenireny Afaka hatambatrao miaraka ireo teny ireo. DH: "mpirenireny tsy manan-kialofana"