# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny teny hoe "isika'' ato dia manondro ny kristiana rehetra, ao anatin'izany ireo mpamakin'i Paoly. # lalàna fitsipi-pianaran'izao tontolo izao Ireo mety ho dikany dia 1) maneho ireo lalàna na fitsipika ara-moralin'izao tontolo izao io, na 2) maneho ny hery ara-panahy, izay heverin'ny hafa fa mifehy izay miseho eto an-tany io. # hanavotana "hividianana indray." Mampiasa sarin-teny ilazana olona iray mividy indray ny fanana efa very na mividy ny fahafahan'ny andevo iray i Paoly mba ho kisarisary maneho an'i Jesosy mandoa ny vidin'ny otan'ireo olony tamin'ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana. # Zanany Fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra io.