# napetrak'izy ireo teo amin'ny fitoerany ilay alitara "nanao ny alitara teo amin'ny fitoerany" na "nametraka ny alitara teo amin'ny fitoerany mba hipetraka eo izany" # nanenika azy ireo ny horohoro Io dia fomba fiteny. DH: "natahotra izy ireo" # nohon'ny amin'ny olon'ilay tany Mety ilainao ny manazava ny momba ny vahoakan'ny tany izay nampatahotra ireo Jiosy. DH: "satria noheverin'izy ireo fa te hanafika azy ireo ny vahoakan'ilay tany" # Nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy tamin'ny hariva izy ireo Ny zavatra voalohany nataon'ny vahoaka dia ny nanomboka nanolotra sorona. Izany dia talohan'ny nanangana indray ny tempoly. # Firavoravoan'ny Fialofana Io dia firavoravoana izay nankalazaina anatin'ny valo andro mandritra ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia niaraka tamin'ny fotoan'ny eksodosy fony mbola nipetraka tao amin'ny lay ireo Israelitra.